1 Izaho loholona[Gr. Ny presbytera] manangy an'i Gaio, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana.

2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana.

4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

5 Ry malala, manao asa mahatoky hianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy,

6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana[eklesia]; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra hianao;

7 fa noho ny Anarana no niaingany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy.

8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana.

9 Nanoratra tamin'ny fiangonana ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay.

10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia rarany sy roahiny hiala amin'ny fiangonana.

11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.

13 Nanana zavatra maro hosoratana aho, nefa tsy tiako hosoratana aminao amin'ny ranomainty sy ny penina [volotara];

14 fa manantena hahita anao faingana ihany aho, dia hiteny mifanatrika isika. Ho aminao anie ny fiadanana. Ny sakaiza aty manao veloma anao. Veloma amin'ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.
